IREO FARITRA NAHATANTERAKA FIFIDIANANA
NY LALAM-PIFIDIANANA
NY FIZOTRY NY FIFIDIANANA
NY KOMITIM-PIFIDIANANA
IREO FARITRA NAHATANTERAKA FIFIDIANANA
Avaratra | Atsimo | Atsinanana | Andrefana | Ampivoany |
---|---|---|---|---|
Diana | Androy | Atsinanana | Menabe | Betsiboka |
Sava | Anosy | Analanjirofo | Boeny | Itasy |
Sofia | Fitovinany | Amoron’i Mania | ||
Atsimo Atsinanana | Haute Matsiatra |
NY LALAM-PIFIDIANANA
- Araky ny voalaza ao amin’ny SATA Fototra TTM, andininy 1, 1-1 : Ny fifidianana ho atao dia fanavaozana ny fivoriam-be, filan-kevim-pitantanana ary ny biraon’ny Fikambanana « Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra » isaky ny ambaratonga (Kaominina, Distrika, Faritra, Nasionaly)
- Araky ny volaza ao amin’ny SATA fototra TTM momba ireo tokony hilatsaka ho fidiana, andininy 2,2-9 : Tantsaha 21 ka hatramin’ny 65 taona avy amin’ilay olona 4 voafidy isaky ny faritra; Olona manana ny karatra maha mpikambana eo anivon’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra
- Araky ny voalaza ao amin’ny SATA fototra TTM , andinininy faha- 12 : Rehefa feno ny antsasa-manila dia azo tontosaina ny Fivoriam-be fifidianana;
NY FIZOTRY NY FIFIDIANANA
Ireo olom-boafidy lany tamin’ny fifidianana isam-paritra no mifidy ireo solotena 4 manatrika ny fifidianana nasionaly. Araka ny voalaza amin’ny fitsipi-pifidianana ihany dia mijanona banga ny toeran’ny filankevim-pitantanana ho amin’ireo faritra tsy misy solontena satria tokony voasolo tena ao amin’ny CA daholo ny faritra 24.Ny solon-tena 4 voafidy isam-paritra no manantanteraka ny fifidianana ho Filankevim-pitantanana.Ny solon-tena 4 voafidy isam-paritra no manantanteraka ny fifidianana ho birao nasionaly izay misy ny:
- Filoha,
- Filoha lefitra,
- Mpitan-tsoratra,
- Mpitahiry vola
NY KOMITIM-PIFIDIANANA
- Solontena 1 avy amin’ny TTMN
- Solontena 1 avy amin’ny Ministera Fambolena sy Fiompiana
- Solontena 1 isaky ny OPF (Réseau Soa, CPM, FVTM, Fekritama, Fifata)
- Solontena avy amin’ny mpiara-miombon’antoka (5) na araka izay fahafahan’ny mpiara-miobon’antoka